Entrée | 1 Ilay reny tsy miteny |
Mots élémentaires | 2 ilay, 3 reny, 4 tsy, 5 miteny |
Partie du discours | 6 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 7 Littérature: poèmes |
Auteur |
8 Eliza Freda |
Texte complet |
9 Ao ambany 10 Dongon-tany, 11 Ao anaty 12 Vatam-paty, 13 Misy Reny 14 Tsy miteny 15 Hatry ny ela 16 No tavela ... 17 Reny tiana 18 Nitosiana 19 'Lay nitondra 20 Fo diamondra! 21 Fo malala 22 Tsy mba niala; 23 Niara-paly 24 Sy nijaly! 25 Fony izaho 26 Maitso taho, 27 Raozin'aina 28 Nolalaina ... 29 Fony mbola 30 Niangola, 31 Nisakafo 32 Safosafo! 33 Tambitamby 34 Manana amby; 35 Rotsirotsy 36 Volafotsy; 37 Mamikely 38 Toa tantely: 39 Samy vita. 40 Samy hita ... 41 Ndrisy anefa. 42 Fa nilefa ... 43 Nofy ihany 44 Mantsy izany; 45 Torotoro 46 'Lay nijoro! 47 Voninkazo 48 Ka nandazo! 49 Taolambalo 50 Mampimalo 51 No mba sisa 52 Voatanisa ... 53 Hodi-tava 54 Ravarava 55 No mba hany 56 Tratra tany ... 57 Very toky 58 'Zao ny zoky! 59 Folaka andry 60 'Reto zandry, 61 Diso angoty 62 Fa kamboty! 63 Vao maraina 64 Dia nangaina! 65 Eny ho eny, 66 Misy reny; 67 Toa tsy hafa 68 Raha mitafa; 69 Hoatra an'iny 70 'Lay fahiny, 71 Saingy ts'izy! 72 Dray! rankizy. 73 'Zany foko 74 Mitoloko ... 75 Feno loatra 76 Ka mandroatra; 77 Manin-dreny 78 Mba hiteny, 79 Manontany 80 'Zay nombany. 81 Hono lahy, 82 Ry fanahy: 83 Mba tsinjovy 84 Ka tsarovy; 85 Aiza ho aiza 86 'Lay nitaiza? 87 Aiza indrindra 88 No nifindra? 89 Fa maniry 90 Te-hikiry 91 'Tony saina 92 Noratraina ... 93 N'aiza tany 94 Niantefany, 95 Any aho 96 No apetraho! 97 O! ry Neny, 98 'Zao no teny, 99 Ka raiketo 100 Farany eto: 101 'Zaho akory 102 Tsy ho ory, 103 Mana-mpiahy 104 Sy mpitahy! 105 'Lay modely 106 Fahakely, 107 Tsy mba foana 108 Fa tsaroana! 109 'Reo anjara 110 Voatantara 111 Sarobidy 112 Ka tadidy! 113 Tsy mba vola 114 Mora tola 115 No sahaza 116 Ho an-jaza; 117 Fahendrena 118 'Zay nomena, 119 Io no lova 120 Tsy mba miova ! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |